Mark 8

1Tamin’izany andro izany, dia nisy vahoaka marobe indray, ary tsy nanan-kohanina izy ireo. Dia niantso ny mpianany Jesosy ary niteny tamin’izy ireo hoe: 2“Mampahonena Ahy ireo vahoaka, satria efa telo andro ireo no nanohy niaraka tamiko ary tsy manan-kohanina. 3Raha alefako mody any an-tranony tsy misakafo ireo, dia mety ho safotra an-dalana. Ny sasany amin’izy ireo dia avy any amin’ny lalan-davitra.” 4Namaly Azy ireo mpianany hoe: “Aiza no hahazoantsika mofo ampy hamokisana ireo vahoaka ireo ety an-tany foana tahaka izao?”

5Nanontany azy ireo Izy hoe: “Firy ny mofo anananareo?” Hoy izy ireo hoe: “Fito” 6Nandidy ny vahoaka mba hipetraka amin’ny tany Izy. Noraisiny ny mofo fito, dia nisaotra Izy, ary nanapaka ireo. Natolony ny mpianany izany mba ho zarain’izy ireo amin’ny vahoaka, ary napetrak’izy ireo teo anoloan’ny vahoaka izany.

7Ary mbola nanana hazandrano kely vitsivitsy ihany koa izy ireo, ka rehefa avy nisaotra ireo Izy, dia nandidy ireo mpianatra mba handroso izany koa Izy. 8Dia nihinana izy ireo ka voky, ary nalain’izy ireo ny sombitsombiny tavela, izay nahafeno sobika fito lehibe. 9Tokony ho efatr’arivo teo ho eo ny olona tamin’izany. Avy eo dia nalefany nody izy ireo. 10Avy hatrany dia niakatra tao an-tsambokely niaraka tamin’ireo mpianany Izy, ary nandeha nankany amin’ny faritr’i Dalmanota izy ireo.

11Dia nivoaka ireo fariseo ary nanomboka nifanditra taminy. Nitady famantarana avy any an-danitra taminy izy ireo, mba hitsapana Azy. 12Nisento lalina tany amin’ny fanahiny Izy ary niteny hoe: “Nahoana no mitady famantarana ity taranaka ity? Nefa lazaiko marina aminareo, fa tsy misy famantarana omena ity taranaka ity izany.” 13Avy eo dia nandao azy ireo Izy, niakatra tao an-tsambokely indray, ary niala lavitra ho eny am-pita.

14Ary adinon’ny mpianatra ny nitondra mofo niaraka tamin’izy ireo. Tsy nanana mihoatra ny iray izy ireo tao anaty sambo. 15Dia nampitandrina azy ireo Izy ka niteny hoe: “Miambena ary mitandrema amin’ny masirasiran’ireo Fariseo sy ny masirasiran’i Heroda.”

16Dia nifanontany tena ny mpianatra hoe: “Noho isika tsy manana mofo izany.” 17Fantatr’i Jesosy izany, ary hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Nahoana no amin’ny tsy fananana mofo ny fisainanareo? Mbola tsy azonareo va? Mbola tsy takatrareo va? Nanjary donto va ny fonareo?

18Manana maso ianareo, fa tsy mahita va? Manan-tsofina ianareo, fa tsy mandre va? Tsy tadidinareo va? 19Rehefa nanapaka ny mofo dimy ho an’ny olona dimy arivo Aho, dia sobika firy feno sombitsombina mofo no nangoninareo?” Hoy izy ireo taminy hoe: “Roambinifolo.”

20Rehefa nanapaka ireo mofo fito ho an’ny olona efatr’arivo Aho, firy sobika ny ambiny nangoninareo?” Hoy izy ireo taminy hoe: “Fito.” 21Ary hoy Izy hoe: “Mbola tsy takatrareo ihany va?”

22Tonga tany Betsaida izy ireo. Ary nisy jamba anankiray nentin’olona teo aminy ary niagavian’izy ireo Jesosy mba hikasika azy. 23Nentin’i Jesosy tamin’ny tanana ilay jamba, ary nitarika azy hivoaka ny tanàna. Rehefa nandrora teo amin’ny masony Izy ary nametraka ny tanany teo aminy, dia nanontany azy Izy hoe: “Mahita zavatra va ianao?”

24Dia nitraka izy, ka niteny hoe: “Mahita olona tahaka ny hazo mandehandeha aho.” 25Napetrak’i Jesosy teo amin’ny masony indray ny tanany, ary nahiratr’ilay lehilahy ny masony, dia niverina tamin’ny laoniny ny fahitany, ary nahita mazava tsara ny zavatra rehetra izy. 26Dia nalefan’i Jesosy nody izy ary noteneniny hoe: “Aza miditra ao an-tanàna.”

27Nandeha nivoaka Jesosy sy ny mpianany nankany amin’ny tanànan’i Kaisaria Filipo. Teny an-dalana dia nanontany ireo mpianany Izy hoe: “Hataon’ny olona ho iza moa Aho?” 28Namaly Azy izy ireo ka niteny hoe: “Jaona mpanao batisa. Ny hafa miteny hoe: ‘Elia’, ary ny hafa hoe: ‘Iray amin’ireo mpaminany.’”

29Nanontany azy ireo Izy hoe: “Fa ianareo kosa manao Ahy ho Iza?” Dia namaly Azy Petera hoe: “Ianao no Kristy.” 30Nampitandrina azy ireo Jesosy tsy hilaza ny momba Azy na amin’iza na amin’iza.

31Nanomboka nampianatra azy ireo Izy fa tsy maintsy hijaly ny Zanak’Olona, ary ho lavin’ny loholona sy ireo lohan’ny mpisorona ary mpanora-dalàna, ary ho vonoina, ka hitsangana amin’ny maty afaka telo andro. 32Nolazainy mazava tsara izany. Avy eo nantsoin’i Petera mangingiina Jesosy ka nanomboka niteny mafy Azy.

33Nefa nitodika Jesosy dia nijery ireo mpianany ary avy eo niteny mafy an’i Petera ka nanao hoe: “Mialà lavitra Ahy, ry satana! Tsy mba misaina ny zavatr’Andriamanitra ianao, fa ny zavatr’olona.” 34Avy eo dia niantso ny vahoaka sy ny mpianany niaraka izy, ary hoy Izy tamin’izy ireo hoe: “Raha misy te-hanaraka Ahy, dia tsy maintsy mandà ny tenany izy, maka ny hazo fijaliany, ary manaraka Ahy.

35Na iza na iza te-hamonjy ny ainy dia hahavery izany, ary izay mahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hahavonjy izany. 36Fa inona anefa no tombontsoa azon’ny ny olona iray, raha mahazo izao tontolo izao, ary avy eo very ny ainy? 37Inona no afaka omen’ny olona iray ho takalon’ny ainy?

Na iza na iza menatra Ahy sy ny teniko eto amin’ity taranaka mijangajanga sy mpanota ity, dia ho menatra azy ihany koa ny Zanak’olona rehefa tonga ao amin’ny voninahitry ny Rainy miaraka amin’ireo anjely masina Izy.”

38

Copyright information for PltULB